<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>149</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Efa lasa Jeso Tompo,
 Hanamboatra izao
 Fitoera-mahafaly
 Iza re no tsy hankao ?
 Fa ao ankoatr'i Jordana,
 Ao an-danitra ao ambony,
 Misy fitsaharan-tsara
 Ho an'ny madio.

[V2]
 Tany tsy idiran'ota,
 Tany masina sy soa,
 Ka izay rehetra hankany
 Dia ho masina avokoa !
 Fa ao ..sns.

[V3]
 Fa izay matoky tena,
 Ny tsy mety mino koa,
 Tsy havelany hankany,
 Fa ho laviny tokoa !
 Fa ao ..sns.

[V4]
 Ny mandao ny fomba ratsy,
 Ny mahazo fo vaovao,
 Ny navotan'i Jesosy,
 Dia izy no hankao !
 Fa ao ..sns.

[V5]
 Ry mpanota saiky very !
 Mibebaha re anio ;
 Maniria hovonjena,
 Ka ny fahotana ario !
 Fa ao ..sns.</lyrics>
<title>Efa lasa Jeso Tompo FFPM149</title>
</song>